Boky faharoan'ny Mpanjaka 9:5
dia hampitoeriko mandrakizay amin’ ny Isiraely ny seza fiandrianan’ ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin’ i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 9
Cross References
2 Samuel 7:16Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.
1 Kings 6:12Ny amin’ ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin’ i Davida rainao;
1 Kings 8:20Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’ i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely tahaka ny efa nolazain’ i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
Psalms 89:28Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin’ ny mpanjakan’ ny tany.