Epistily voalohany nosoratan'i Petera 1:12
Ary naseho tamin’ ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin’ izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin’ ny tenin’ ireo nitory ny filazantsara taminareo amin’ ny Fanahy Masìna, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian’ ny anjely hodinihina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 1
Cross References
Proverbs 1:23Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
Isaiah 32:15Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin’ ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
Isaiah 53:1Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah?
Daniel 2:22Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
Daniel 2:47Ny mpanjaka namaly an’ i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
Daniel 9:24Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ ny firenenao sy ny tanànanao masìna, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masìna indrindra.