Epistily voalohany nosoratan'i Petera 1:18
fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19fa ny rà soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 1
Cross References
Psalms 39:6Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. [Sela.]
Psalms 62:10Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
Jeremiah 9:14Dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy;
Jeremiah 44:17Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy teny amin’ ny lalamben’ i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.
Amos 2:4Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn’ i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon’ ny razany;
Matthew 15:2Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.