Epistily voalohany nosoratan'i Petera 1:5
izay arovan’ ny herin’ Andriamanitra amin’ ny finoana ho amin’ ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Who are kept by the power of God through faith unto salvation ready to be revealed in the last time.
In Context
4ho amin’ ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 1
Cross References
Job 19:25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
Psalms 37:28Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masìna; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
Psalms 125:1Fihirana fiakarana. Izay matoky an’ i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.
Isaiah 45:17Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’ i Jehovah Amin’ ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
Isaiah 54:17Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ ny mpanompon’ i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
John 4:14fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.