Epistily voalohany nosoratan'i Petera 1:6
Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 1
Cross References
1 Samuel 2:1Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin’ i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin’ i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin’ ny famonjenao aho.
Psalms 9:14Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’ izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ ny vavahadin’ ny fahafatesana,
Psalms 35:10Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin’ izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin’ izay mamabo azy?
Psalms 95:1Avia, aoka isika hihoby ho an’ i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ ny Vatolampy famonjena antsika.
Psalms 119:75Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
Isaiah 61:3Hanolotra ho an’ ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.