Epistily voalohany nosoratan'i Petera 1:7
mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ ny afo aza), dia amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 1
Cross References
Numbers 5:28Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan’ anaka.
Job 23:10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
Psalms 66:10Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy.
Proverbs 8:19Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
Proverbs 17:3Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
Isaiah 48:10Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin’ ny memy fahoriana Aho.