Epistily voalohany nosoratan'i Petera 2:24
ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ ny tenany teo ambonin’ ny hazo, mba ho faty ny amin’ ny ota isika, fa ho velona ny amin’ ny fahamarinana; ary “ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo”.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 2
Cross References
Exodus 28:38Ary ho eo ambonin’ ny handrin’ i Arona izy, mba ho entin’ i Arona ny heloky ny zava-masìna, izay hohamasinin’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny fanomezany masìna rehetra; ary ho eo amin’ ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah ny olona.
Leviticus 22:9Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasìna azy.
Numbers 18:22Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak’ Isiraely, fandrao meloka izy ka maty.
Psalms 38:4Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
Isaiah 53:4Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina.