Epistily voalohany nosoratan'i Petera 2:25
Fa efa nania toy ny ondry ianareo, nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For ye were as sheep going astray; but are now returned unto the Shepherd and Bishop of your souls.
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 2
Cross References
Psalms 23:1Salamo nataon’ i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
Psalms 119:176Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.
Isaiah 40:11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Jeremiah 23:2Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian’ ny ataonareo, hoe Jehovah
Ezekiel 34:11Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
Ezekiel 37:24Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.