Epistily voalohany nosoratan'i Petera 3:1
Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ ny fitondran-tenan’ ny vavy izy, na dia tsy amin’ ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2rehefa hitany ny fahadiovan’ ny fitondran-tenanareo amin’ ny fahatahorana.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 3
Cross References
Genesis 3:16Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan’ anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
Proverbs 11:30Ny vokatry ny marina dia hazon’ aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
Matthew 18:15Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
Romans 7:2Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ ny lalàna ho an’ ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ ny lalàn’ ny lahy izy.
1 Corinthians 7:16Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?
1 Corinthians 11:3Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’ i Kristy.