Epistily voalohany nosoratan'i Petera 3:18
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra, ka novonoina tamin’ ny nofo, fa novelomina tamin’ ny fanahy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ ireo fanahy tao an-tranomaizina,
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 3
Cross References
Numbers 7:15ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Daniel 9:26Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masìna; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
Matthew 27:19Ary raha nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
Acts 3:14Fa ianareo nandà Ilay Masìna sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
Romans 1:4ary naseho tamin-kery ho Zanak’ Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty, ― dia Jesosy Kristy Tompontsika,
Romans 5:2Tamin’ ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ ny finoana ho amin’ izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ ny fanantenana ny voninahitr’ Andriamanitra.