Epistily voalohany nosoratan'i Petera 3:20
dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ ireo fanahy tao an-tranomaizina,
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 3
Cross References
Genesis 6:5Ary hitan’ i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
Genesis 7:13Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin’ ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’ i Noa, mbamin’ ny vadin’ i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
Genesis 8:1Ary Andriamanitra nahatsiaro an’ i Noa mbamin’ ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran’ ny tany, ka dia nihena ny rano.
Isaiah 30:18Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
Matthew 24:37Fa tahaka ny andron’ i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
Luke 13:24Miseseha hiditra amin’ ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.