Epistily voalohany nosoratan'i Petera 3:4
fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 3
Cross References
Psalms 25:9Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
Psalms 51:6Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
Psalms 147:6Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany.
Psalms 149:4Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
Isaiah 29:19Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin’ i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin’ ny olona hifaly amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely,
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,