Epistily voalohany nosoratan'i Petera 4:10
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 4
Cross References
Matthew 20:28Fa tahaka izany, ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
Matthew 24:21Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’ izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
Matthew 25:14Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
Matthew 25:44Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
Luke 8:3sy Johana, vadin’ i Koza, mpitandrina ny fananan’ i Heroda, ary Sosana mbamin’ ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin’ ny fananany.
Luke 16:1Ary hoy koa Jesosy tamin’ ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’ olona taminy fa mandany ny fananany.