Epistily voalohany nosoratan'i Petera 4:8
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa “ny fitiavana manarona fahotana maro”
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Fa antomotra ny faran’ ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ ny fivavahana.
9Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 4
Cross References
Proverbs 12:16Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry.
Proverbs 18:13Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
Colossians 3:14Ary aoka ho ambonin’ izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ ny fahatanterahana izany.
1 Thessalonians 4:9Fa ny amin’ ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’ Andriamanitra hifankatia.
1 Timothy 1:5Fa ny anton’ ny didy dia fitiavana avy amin’ ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
James 5:12Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ ny lanitra, na amin’ ny tany, na amin’ izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho “Eny”, ary ny fandànareo ho “Tsia”, fandrao hiharan’ ny fitsarana ianareo.