Epistily voalohany nosoratan'i Petera 5:8
Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 5
Cross References
Judges 14:5Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
Job 1:6Ary tamin’ ny indray andro nony avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
Psalms 104:21Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin’ Andriamanitra.
Proverbs 19:12Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin’ ny ahitra.
Isaiah 5:29Ny fierony dia tahaka ny fieron’ ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.
Isaiah 50:8Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.