Boky faharoan'i Samoela 10:24
Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin’ i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin’ ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 10
Cross References
1 Samuel 11:15Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an’ i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan’ i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely.
2 Samuel 21:6no avelao hisy fito lahy amin’ ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an’ i Jehovah ao Gibean’ i Saoly, ilay voafidin’ i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
1 Kings 1:25Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak’ omby mifahy sy ondry aman’ osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy ny komandin’ ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
1 Kings 1:39Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ ny trano-lay ka nanosotra an’ i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
Matthew 21:9Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah! Hosana any amin’ ny avo indrindra.