Boky faharoan'i Samoela 12:2
Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 12
Cross References
Numbers 27:17ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’ i Jehovah.
Joshua 23:2dia nantsoin’ i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
1 Samuel 2:29Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin’ ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin’ izay tsara indrindra amin’ ny fanatitra rehetra aterin’ ny Isiraely oloko?
1 Samuel 3:16Fa Ely niantso an’ i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
1 Samuel 8:1Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.
1 Samuel 8:5ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.