Boky faharoan'i Samoela 12:8
Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin’ i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an’ i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin’ ity tany ity.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 12
Cross References
Genesis 46:5Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak’ Isiraely nitondra an’ i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin’ ny sariety, izay efa nampitondrain’ i Farao hitondrana azy.
Exodus 3:9Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan’ ny Zanak’ Isiraely dia efa mby atỳ amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian’ ny Egyptiana azy.
Exodus 4:27Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Mandehana hitsena an’ i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra, dia nanoroka azy.
Exodus 12:51Ary tamin’ izany andro izany indrindra no nitondran’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
Numbers 20:15dia ny nidinan’ ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;
Joshua 1:6Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.