Boky faharoan'i Samoela 13:2
Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin’ ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin’ ny tany havoan’ i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin’ i Jonatana tany Gibean’ ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 13
Cross References
Joshua 18:28sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony.
Judges 19:12Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin’ ny tanànan’ ny olona hafa firenena izay tsy isan’ ny Zanak’ Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
1 Samuel 10:26Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin’ ny tànan’ Andriamanitra ny fony.
1 Samuel 13:23Ary ny avy tao amin’ ny miaramilan’ ny Filistina nivoaka ho ao amin’ ny hadilanana mankany. Mikmasy.
1 Samuel 14:31Ary izy ireo namely ny Filistina tamin’ izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.
1 Samuel 15:34Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin’ ny tranony tao Gibean’ i Saoly.