Boky faharoan'i Samoela 13:3
Ary Jonatana namely ny miaramilan’ ny Filistina, izay tany Geba, ary ren’ ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin’ ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 13
Cross References
Joshua 21:17ary avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy
Judges 6:34Ary notsindrian’ ny Fanahin’ i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.
1 Samuel 13:16Ary raha mbola nitoetra tany Gibean’ ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin’ izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.
1 Samuel 14:5Ny iray amin’ ireo harambato ireo dia nijoro avo teo an-daniny avaratra manandrify an’ i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an’ i Gibea.
2 Samuel 20:1Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak’ i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin’ i Davida na lova amin’ ny zanak’ i Jese; samia mody any amin’ ny lainy avy, ry Isiraely ô.
Isaiah 10:29Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean’ i Saoly;