Boky faharoan'i Samoela 13:4
Dia ren’ ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan’ ny Filistina Saoly, ka dia halan’ ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an’ i Saoly ho any Gilgala.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 13
Cross References
Genesis 34:30Ary hoy Jakoba tamin’ i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin’ ny mponina amin’ ny tany aho, dia amin’ ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
Exodus 5:21dia hoy izy tamin’ izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’ i Farao sy eo anatrehan’ ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
1 Samuel 10:8Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.
1 Samuel 27:12Ary Akisy nino an’ i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin’ ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.
Zechariah 11:8Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin’ ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny.