Boky faharoan'i Samoela 14:32
Dia nanaovan’ ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman’ osy sy omby ary zanak’ omby izy, dia namono azy teo amin’ ny tany, ka dia nohanin’ ny olona mbamin’ ny ràny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 14
Cross References
Genesis 9:4Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
Leviticus 7:26Ary aza mihinana rà eny amin’ izay rehetra itoeranareo, na ny an’ ny vorona, na ny an’ ny biby fiompy.
Leviticus 19:26Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro.
Deuteronomy 12:23Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny rà, fa ny rà no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin’ ny hena ianao.
Ezekiel 33:25Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
Acts 15:29dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.