Boky faharoan'i Samoela 14:47
Ary Saoly nahazo ny fanjakan’ Isiraely ary niady tamin’ ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin’ ny Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan’ i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 14
Cross References
Genesis 19:37Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain’ ny Moabita mandraka androany.
Genesis 36:1Ary izao no taranak’ i Esao (Edoma izany):
Genesis 36:19Ireo no zanak’ i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
1 Samuel 11:11Ary nony maraina, dia nozarain’ i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin’ ny toby tamin’ ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan’ ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin’ ny roa aza.
1 Samuel 13:1Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
2 Samuel 1:22Ny tsipìkan’ i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran’ ny maty sy ny tavin’ ny mahery; ary ny sabatr’ i Saoly tsy mba niverina foana.