Boky faharoan'i Samoela 16:14
Fa ny Fanahin’ i Jehovah efa niala tamin’ i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah nampahatahotra azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But the Spirit of the LORD departed from Saul, and an evil spirit from the LORD troubled him.
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 16
Cross References
Judges 9:23Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin’ i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an’ i Abimeleka,
Judges 16:29Dia notanan’ i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin’ ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin’ ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.
1 Samuel 18:10Ary nony ampitson’ iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’ Andriamanitra nilatsaka tamin’ i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany tahaka ny fanaony isan’ andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan’ i Saoly.
1 Samuel 19:9Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah tonga tao amin’ i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany.
1 Kings 22:22Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
Hosea 9:12Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin’ ny handaozako azy!