Boky faharoan'i Samoela 16:4
Ary Samoela nanao izay nolazain’ i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 16
Cross References
Genesis 48:7Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
2 Samuel 6:9Ary Davida natahotra an’ i Jehovah tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran’ i Jehovah?
1 Kings 17:18Dia hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako?
1 Chronicles 12:17Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon’ ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
Hosea 6:5Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin’ ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.
Luke 2:4Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’ i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin’ ny taranak’ i Davida sy ny mpianakaviny),