Boky faharoan'i Samoela 17:13
ary ny zokiny telo lahy tamin’ ny zanak’ i Jese lasa nanaraka an’ i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran’ ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an’ i Saoly;
Read all of Boky faharoan'i Samoela 17
Cross References
1 Samuel 16:8Ary Jese niantso an’ i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah.
1 Samuel 17:28Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin’ ny olona dia nirehitra tamin’ i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midìna etỳ? Ary amin’ iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
2 Samuel 13:32Ary Jonadaba, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin’ ny andro nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
1 Chronicles 2:13ary Jese niteraka an’ i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,