Boky faharoan'i Samoela 17:36
Ny liona sy ny bera samy novonoin’ ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin’ ireny, satria nihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 17
Cross References
1 Samuel 14:6Ary hoy Jonatana tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’ i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ ny maro, na amin’ ny vitsy.
1 Samuel 17:26Ary hoy Davida tamin’ ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona?
Isaiah 10:15Ny famaky va hirehareha amin’ izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin’ izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony!
Isaiah 36:15Ary aza mety hampahatokin’ i Hezekia an’ i Jehovah ianareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
Isaiah 37:22dia izao no teny nolazain’ i Jehovah ny amin’ i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
Isaiah 37:28Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.