Boky faharoan'i Samoela 19:13
Ary nalain’ i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin’ ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon’ osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary Mikala nampidina an’ i Davida tamin’ ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka.
14Ary nony naniraka haka an’ i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 19
Cross References
Genesis 31:19Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman’ osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
Judges 18:14Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin’ ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina? koa hevero izay hataonareo.
Hosea 3:4Fa andro maro no hitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima.