Boky faharoan'i Samoela 19:5
fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an’ ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an’ i Davida?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 19
Cross References
Exodus 14:13Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Judges 9:17(fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Midiana;
1 Samuel 11:13Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan’ i Jehovah famonjena teo amin’ ny Isiraely.
1 Samuel 17:49Ary natsofok’ i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin’ ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin’ ny handriny, ary nilentika tamin’ ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin’ ny tany izy.
1 Samuel 20:32Ary Jonatana namaly an’ i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?
1 Samuel 28:21Ary nankao amin’ i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.