Boky faharoan'i Samoela 2:1
Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin’ i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin’ i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin’ ny famonjenao aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 2
Cross References
Exodus 15:1Ary Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an’ i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ ny ranomasina.
Judges 5:1Ary Debora sy Baraka, zanak’ i Abinoama, dia nihira tamin’ izany andro izany ka nanao hoe:
1 Samuel 1:7Ary izany no fanaon’ i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon’ i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren’ ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
2 Chronicles 20:27Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin’ ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin’ ny fahavalony.
Psalms 9:14Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’ izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ ny vavahadin’ ny fahafatesana,
Psalms 18:2dia hoy izy:― Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.