Boky faharoan'i Samoela 2:20
Ary Ely nitso-drano an’ i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen’ i Jehovah zaza amin’ ity vehivavy ity anie ianao ho solon’ ilay voatolotra ho an’ i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 2
Cross References
Genesis 27:27Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon’ ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon’ ny zanako. Dia tahaka ny fofon’ ny saha izay notahin’ i Jehovah.
Ruth 2:12Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao.
1 Samuel 1:11Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’ i Jehovah kosa izy amin’ ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
1 Samuel 1:28Koa atolotro ho an’ i Jehovah kosa izy: eny, amin’ ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’ i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy.