Boky faharoan'i Samoela 2:3
Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Tapaka ny tsipìkan’ ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 2
Cross References
Joshua 22:22Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin’ i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
1 Samuel 16:7Fa hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ ny olona no fijerin’ i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
Job 31:6(Enga anie ka holanjain’ Andriamanitra eo amin’ ny mizanan’ ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
Psalms 94:4Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
Psalms 147:5Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
Proverbs 16:2Ataon’ ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.