Boky faharoan'i Samoela 2:31
Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin’ ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin’ ny taranakao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 2
Cross References
1 Samuel 4:2Dia nilahatra ny Filistina hiady amin’ ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin’ ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
1 Samuel 14:3ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak’ i Ahitoba, rahalahin’ i Ikaboda, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Ely, mpisoron’ i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
1 Kings 2:26Ary Abiatara mpisorona dia nilazan’ ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin’ izao andro izao, satria nitondra ny fiaran’ i Jehovah Tompo teo alohan’ i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin’ ny raiko tamin’ izay rehetra nampahoriana azy.
1 Kings 2:35Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no notendren’ ny mpanjaka ho solony ho komandin’ ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren’ ny mpanjaka ho solon’ i Abiatara.
Psalms 37:17Fa ny sandrin’ ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
Ezekiel 44:10Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ ny nivilian’ ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.