Boky faharoan'i Samoela 2:35
Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan’ ny voahosotro mandrakizay izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 2
Cross References
Exodus 1:21Ary tamin’ izany, satria natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen’ Andriamanitra zanaka izy.
1 Samuel 12:3Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’ i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin’ iza moa no nalaiko? na borikin’ iza no nalaiko? na an’ iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan’ iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
1 Samuel 25:28Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan’ ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin’ i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin’ ny andro rehetra iainanao.
2 Samuel 7:27Fa Hianao, Jehovah Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin’ ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.
1 Kings 1:45Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.
1 Kings 11:38Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin’ ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon’ i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’ i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.