Boky faharoan'i Samoela 2:8
Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin’ ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an’ i Jehovah ny andrin’ ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 2
Cross References
Genesis 41:40koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
2 Samuel 7:8Koa lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin’ ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
Job 36:6Tsy mitsimbina ny ain’ ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ ny ory.
Job 38:4Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
Job 38:6Teo amin’ inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
Psalms 24:2Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy.