Boky faharoan'i Samoela 20:42
Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin’ ny anaran’ i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin’ ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 20
Cross References
1 Samuel 1:17Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen’ Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.
1 Samuel 20:22Fa raha hoy kosa aho amin’ ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.
1 Samuel 23:18Ary nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an’ ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
Acts 16:36Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin’ i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.