1 Samuel 21:10
Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’ i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin’ ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon’ ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And David arose, and fled that day for fear of Saul, and went to Achish the king of Gath.
In Context
Cross References
1 Samuel 17:2Ary Saoly sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin’ ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin’ ny Filistina.
1 Samuel 22:10Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin’ i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr’ i Goliata Filistina.
1 Kings 19:3Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
Jeremiah 26:21Ary nony ren’ i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;