Boky faharoan'i Samoela 22:6
Ary ren’ i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin’ ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin’ izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 22
Cross References
Judges 4:5Ary izy nipetraka teo ambanin’ ny hazo rofian’ i Debora, teo anelanelan’ i Rama sy Betela, tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak’ Isiraely hatsaraina.
1 Samuel 18:10Ary nony ampitson’ iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’ Andriamanitra nilatsaka tamin’ i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany tahaka ny fanaony isan’ andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan’ i Saoly.
1 Samuel 20:33Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr’ i Jonatana fa nofofoin’ ny rainy hovonoina Davida.