Boky faharoan'i Samoela 22:7
dia hoy Saoly tamin’ ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak’ i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen’ ny zanak’ i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 22
Cross References
1 Samuel 8:14ary ny tsara indrindra amin’ ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin’ olivanareo dia halainy ka homeny ho an’ ny mpanompony;
1 Samuel 20:27Ary nony tamin’ ny andro faharoa dia ny ampitson’ ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan’ i Davida, dia hoy Saoly tamin’ i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan’ ny zanak’ i Jese hihinana omaly sy androany?
1 Samuel 22:9Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon’ i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak’ i Jese tonga tany Noba aho tany amin’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba.
1 Samuel 25:10Fa Nabala namaly ny mpanompon’ i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak’ i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin’ ny tompony.
1 Kings 12:16Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
Isaiah 11:10Ary amin’ izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.