Boky faharoan'i Samoela 23:13
Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin’ izay azony naleha. Ary nolazaina tamin’ i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 23
Cross References
1 Samuel 25:13Ary hoy Davida tamin’ ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin’ ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin’ ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin’ ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an’ i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin’ ny entana.
2 Samuel 15:20Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin’ izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.
Psalms 34:5Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra.