Boky faharoan'i Samoela 25:32
Ary hoy Davida tamin’ i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And David said to Abigail, Blessed be the LORD God of Israel, which sent thee this day to meet me:
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 25
Cross References
Genesis 24:27ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny tompoko; fa izaho dia notantanan’ i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon’ ny havan’ ny tompoko.
Joshua 22:33Ary sitraky ny zanak’ Isiraely izany, dia nisaotra an’ Andriamanitra ny Zanak’ Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan’ ny taranak’ i Robena sy Gada.
Ezra 7:27Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Psalms 41:12Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran’ ny fahavaloko ahy.
Luke 1:68Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,