Boky faharoan'i Samoela 25:39
Ary nony ren’ i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin’ i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon’ i Nabala dia nampodin’ i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin’ i Abigaila hila azy ho vady.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
38Ary nony afaka hafoloana, dia nasian’ i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
Read all of Boky faharoan'i Samoela 25
Cross References
Judges 5:2Noho ny fitarihan’ ny lehibe tamin’ ny Isiraely sy ny fahazotoan’ ny vahoaka nanolotena, dia miderà an’ i Jehovah.
1 Samuel 25:26Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin’ ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an’ i Nabala.
1 Samuel 25:34Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin’ i Nabala ambara-pahazavan’ ny andro.
2 Samuel 1:16ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin’ ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr’ i Jehovah.
2 Samuel 22:47Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
Esther 7:10Ary Hamana dia nahantony tamin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana an’ i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran’ ny mpanjaka.