Boky faharoan'i Samoela 26:18
Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin’ ny tanako?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 26
Cross References
1 Samuel 20:1Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan’ i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
1 Samuel 24:11Indro, hitan’ ny masonao androany ny nanoloran’ i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ ny tompoko aho, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
Psalms 35:7Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
John 8:46Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?
John 18:23Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?