Boky faharoan'i Samoela 28:8
Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin’ ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 28
Cross References
Deuteronomy 18:10Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
1 Kings 22:30Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin’ ny ady.
1 Chronicles 10:13Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin’ i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’ i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin’ izay nanao azy ho tsindrian-javatra
2 Chronicles 35:22Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin’ i Neko, izay nampilazain’ Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin’ ny lohasahan’ i Megido.
Isaiah 8:19Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy?
John 3:19Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.