Boky faharoan'i Samoela 29:3
Ary hoy ireo andrianan’ ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin’ ireo andrianan’ ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon’ i Saoly, mpanjakan’ ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 29
Cross References
Genesis 14:13Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’ i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre Amorita, rahalahin’ i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’ i Abrama.
1 Samuel 14:11Dia niseho tamin’ ny miaramilan’ ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
1 Samuel 27:7Ary ny andro nitoeran’ i Davida tany amin’ ny tanin’ ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
John 19:6Ary rehefa hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin’ ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.
1 Peter 3:16ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.