Boky faharoan'i Samoela 29:8
Fa hoy Davida tamin’ i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin’ ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin’ ny fahavalon’ ny mpanjaka tompoko?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 29
Cross References
1 Samuel 12:3Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’ i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin’ iza moa no nalaiko? na borikin’ iza no nalaiko? na an’ iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan’ iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
1 Samuel 20:8Koa mamindrà fo amin’ ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken’ i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin’ ny rainao aho?
1 Samuel 28:2Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Amin’ izao dia ho fantatrao tokoa izay hain’ ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
2 Samuel 16:19Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan’ ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan’ ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.
Matthew 6:13Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy.