Boky faharoan'i Samoela 3:14
Koa izany no nianianako ny amin’ ny taranak’ i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 3
Cross References
Numbers 15:30Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an’ i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
1 Samuel 2:25Raha misy olona manota amin’ olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin’ i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak’ i Jehovah ny hahafaty azy.
Isaiah 22:14Dia nambaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Jeremiah 15:1Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.
Hebrews 10:4Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ ombilahy sy ny ran’ osilahy.