Boky faharoan'i Samoela 4:3
Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon’ ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan’ ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin’ ny tanan’ ny fahavalontsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 4
Cross References
Numbers 10:35Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.
Deuteronomy 29:24Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
Joshua 4:7dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; fa raha nita an’ i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
Joshua 7:7Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan’ ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin’ i Jordana ihany!
2 Samuel 15:25Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran’ Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason’ i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
Psalms 74:1Maskila nataon’ i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin’ ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?