Boky faharoan'i Samoela 5:4
Ary nony ampitson’ iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah, ary tapaka teo amin’ ny tokonam-baravarana ny lohan’ i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 5
Cross References
Isaiah 27:9Ka izao no hamelana ny helok’ i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ ny anaovany ny vato rehetra amin’ ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
Jeremiah 10:14Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon’ aina ao aminy.
Jeremiah 50:2Ambaraonareo, eny, torio any amin’ ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
Daniel 11:8Ary ny andriamaniny koa mbamin’ ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan’ ny avaratra izy.