Boky faharoan'i Samoela 5:6
Ary navesatra tamin’ ny Asdodita ny tànan’ i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin’ ny fari-taniny rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 5
Cross References
Genesis 41:31ary ny fahavokarana eo amin’ ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.
Deuteronomy 28:27Hamelin’ i Jehovah anao ny vain’ i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody);
1 Samuel 5:9Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan’ i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.
1 Samuel 6:4Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan’ ireo andrianan’ ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.
Psalms 32:4Fa efa navesatra tamiko andro aman’ alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ ny fahamainana amin’ ny lohataona. [Sela.]
Acts 13:11Ary, indro, ankehitriny ny tanan’ ny Tompo hamely an’ ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’ izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.